TARATASY MISOKATRA HO AN’NY IVONTOERAM-PIBAIKOANA NY ADY AMIN’NY VALAN’ARETINA – COVID 19
Andriamatoa Filohan’ny CCO-COVID19,
Isan’ny zava-dehibe, indrindra amin’izao vanimpotoan’ny fasahiranana ateraky ny valan’aretina COVID19 izao, ny fananan’ny olompirenena fahatokisana mba ahatsapan’izy ireo ho tompon-draharaha amin’ny ady atao amin’ny valan’aretina COVID-19. Ireo mpisehatra rehetra eto amin’ny firenena dia resy lahatra fa fomba tokana no ahazoana izany fifampitokisana izany dia ny fanaovan’ireo mpitondra ny mangaraharaha sy ny tamberin’andraikitra amin’ny fanapahankevitra sy fepetra rehetra raisin’izy ireo.
Izany indrindra no hitondranay firaisamonimpirenena, misehatra amin’ny fampiroboroboana ny mangaraharaha, tamberin’andraikitra sy ny hay tondra, ny anjarabirikinay amin’ny famerenana izany fifampitokisana izany amin’ny alalan’ny :
- fanangonam-baovao mahakasika ireo enti-manana natokana ho an’ny ady amin’ny COVID-19 araka ny loharano nahazoana izany;
- fametrahana rindran-damina enti-manaramaso hatrany ifotony, ireo fanomezana tsenam-baro-panjakana sy ireo fizarana fanampiana amin’ireo mpahazo tombotsoa, fa indrindra ireofandaharan’asa « Tosika Fameno », « VatsyTsinjo », « Tsena Mora » izay natokana ho an’ireo vondron’olona marefo ;
- fanarahamaso sy fanaovana tombana ireo tetibola natokana ho an’ny COVID-19 sy ny fanatanterahana ny drafitra vonjy taitra marolafy;
- fampitana amin’ny olompirenena ireo antontam-baovao azo.
Nametraka fangatahana teo anivon’ny CCO izahay ny 11 jona 2020 mba ahazoana antontan-kevitra mahakasika ireo tsenam-baro-panjakana. Fangatahana izay mbola tsy nahazoam-baliny hatramin’ny anio. Noho izany dia mamerina ny fangatahana izahay mba hanomezana ireto antontan-kevitra voalaza manaraka ireto :
- ny fehezan-dalàna mifehy ny fanomezana ireo tsenam-baro-panjakana sy ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ny ady amin’ny COVID19, araka ny vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana misy ankehitriny ;
- ny lisitr’ireo ministera sy rafi-panjakana nangataka fanovana amin’ny hampiasana ny tetibolany miaraka amin’ny tetibidiny sy ny tokony hampiasana azy ;
- ny lisitr’ireo tsenam-baro-panjakana tafiditra amin’ny ady atao amin’ny COVID19 ;
- ny didim-panjakana mametraka ny tetibola enti-miady na “fonds de rispote” noraisina tamin’ny filan-kevitry ny governemanta ny 02 jolay 2020;
Mamporisika ny rafitra mpanantanteraka eto amin’ny firenena hatrany izahay amin’ny fanaovana ny mangaraharaha tanteraka, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Vanim-potoana izay mampanan-kery ireo fanapahan-kevitra aorian’ny fanaovana fampahafantarana voafetra ho amin’ny farafahakeliny. Noho izany dia tsara ny mampahafantatra araka izay haingana indrindra ireo fehezan-dalàna sy fanapahan-kevitra raha vantany vao manankery ka avoaka amin’ireo tranon-kalan’ireo rafi-panjakana tsirairay. Isan’ireo laharam-pahamehana amin’izany ny firaiketana an-tsoratra mahakasika ireo tsenam-baro-panjakana ao amin’ny SIGMP mba ahafahana manamora ny fanarahamaso ireo fandaniam-bola, izay ataon’ireo rafitra mpanaramaso sy ny olompirenena ary ny firaisamonimpirenena.
Averinay etoana amin’izao taratasy izao ny andraikitra efa noraisinay amin’ny fampiharana ny mangaraharaha, ny tamberin’andraikitra ary ny fahavononanay sy ny fisokafanay amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo rafi-panjakana sy mpiantsehetra rehetra miady amin’ny COVID-19.
Antananarivo, faha 13 jolay 2020
Ireo firaisamonimpirenena voakasika,
CCOC
HetsikaROHY
MSIS TATAO
OIMP
ONG HITSY
ONG IVORARY
ONG RAVINTSARA
ONG SAHA
ONG TOLOTSOA
Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)