Mampatahotra ny vahoaka ny vaovao miely momba ny fiovan’ny tranga Covid-19, ilay antsoina hoe “variant South Africa”. Avelanay ho an’ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana ny adihevitra momba ny niandohan’ny anarana sy ny antony nahatonga ny fanovana.
Na amin’ny endriny teo aloha, tamin’ny nanombohan’ny aretina Covid-19, na tamin’ity tranga hafa sy vaovao ity, na ho an’izay tranga hafa mbola ho avy, dia mitovy foana ireo soritr’aretina hita amin’ny olona tsaboina : Sempotra ny marary, tsy afaka miaina ary marary mafy eo amin’ny tratrany. Araka ny voalazan’ny Dr. Thom ao amin’ny « Vocabulaire Médical » tamin’ny iray amin’ireo lahateniny nataony dia tranga roa samy hafa no niavian’ity fahasemporana ity tao amin’ilay marary : ny « thrombose » na ny « embolie pulmonaire ». Ny thrombose dia ny fiforonan’ny vaingan-drà (thrombus) ao anaty lalan-drà. Rehefa mifindra toerana io vaingan-drà io ka mankany amin’ny fantson-drà manerana ny vatan’olombelona dia miova ho “embole” ny anarany. Antsoina hoe “embolie” ilay aretina eto. Amin’ireo tranga roa ireo anefa dia misy foana ny fahatsentsenan’ny lalan-drà, indrindra moa rehefa antsoina hoe “grave” ilay aretina. Eo indrindra no ilàna ny famatsiana oksizena. Ny iray amin’ireo vahaolana mahazatra indrindra dia ny fanomezana, na fampidirana oksizena ao amin’ny vatan’ny marary, mba hanamaivanana ny fahateren’ny tratran’ilay marary. Io resaka oksizena io indrindra no ifantohan’ity lahatsoratra ity.
Ny hopitaly lehibe, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana dia tokony hanana sampandraharaha misahana ny famokarana oksizena izay misy bateria karazany roa ka ny iray no ampiasaina ary ny faharoa atao fiandry (samy manana tavoangy folo avy), nefa koa dia tokony hisy ivon-tsinjara izay mamadika ho azy ny tavoangy ampiasaina rehefa lany ny iray araka ny PSA na dingana “Pressure Swing Adsorption”. Izany no misy ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, izay manana io ivon-toeram-pamokarana oksizena io efa ho folo taona lasa izao, izay napetraky ny orinasa Malagasy Eole. Mampalahelo fa namboarina ireo bateria ireo ho amin’ny fiasan’ny hopitaly an-davanandro ihany fa tsy ho fitsinjovana ny valan’aretina mandringana toy ny Covid-19. Ireo ivon-toerana ireo dia voafetra ny famokarany oksizena. Nampahafantarina anay, tamin’iny herinandro iny ihany koa, fa mitombo tsy hay tohaina ny isan’ny olona vaovao mararin’ny Covid-19 ary mihoatra ny fetra tsy zakan’ny hopitaly amin’ireo tanàn-dehibe toa an’Antananarivo. Tsy maharaka intsony ny famokarana oksizena ary tsy mahefa intsony ireo “concentrateur d’oxygène”, fanomezana izay voarain’ny fanjakana. Nanatona teny amin’ny “Air Liquide” eny Anosivavaka Ambohimanarina izahay hanontany ny amin’io famokarana sy famatsiana oksizena io. Ny nambaran’izy ireo avy hatrany aloha dia ny tsy fisian’ny tavoangy. Fa raha manana tavoangy ny mpividy dia mametraka ny faniriany hividy ao Anosivavaka. Avy eo dia mibaiko ny Ozinina any Toamasina na Mahajanga ry zareo hamokatra, ary izay vao manamboatra oksizena ny Ozinina. Noho izany dia maharitra eo amin’ny tapa-bolana eo vao mety ahazo izay ilainy ny marary. Azo antoka fa tsy afaka hamaha ny olan’ny marary izany toe-javatra izany. Isika miara-mahalala fa tsy manam-bola hampiakarana avy hatrany ny famokarany ny hopitaly. Tsy tafiditra ao amin’ny tetibolan-dry zareo izany fandaniana izany. Izay rehetra izay no mahatonga ny Hopitaly manarapenitra manao fitantanana hafa ka izay tena marary mafy ihany no omena oksizena, na omena ilay “concentrateur d’oxygène”. Mazava fa tsy maharaka intsony ny isan’ny concentrateur. Tsy hiresaka momba ny vola aloa amin’ny fitsaboana isika. Na dia manizingizina aza ny mpitondra ankehitriny fa mbola ampy ny habetsahan’ny oksizena, dia tsapa fa mifanohitra amin’izany ny zava-mitranga. Ny fahafantarana fa amin’izao fotoana izao dia atolotra sy amidy eny amin’ny tambajotra sosialy ny oksizena, amin’ny vidiny 90.000 ka hatramin’ny 160.000 Ariary ny litatra. Raha ny filazan’i Dokotera Rakitra RANAIVOSON avy amin’ny Mpitsabo tsy Miankina, tamin’ny resaka nifanaovana tao amin’ny Real TV tamin’ny 30 martsa 2021, dia mila oksizena 50 litatra isan’andro ny tranga goavana iray. Aoka tsy hihatsara-velatsihy isika fa iza moa ny fianakaviana ahavita handoa farafahakeliny 4.500.000 Ariary isan’andro. Ekena fa singa iray ihany ny oksizena eo amin’ny fitsaboana ny Covid-19, nefa azo antoka fa ny lafo indrindra.
Mbola haharitra ve ity tsy fahampiana oksizena ity? Tsy misy vahaolana hafa azontsika raisina angaha hisorohana an’io zava-doza io? Izany hoe, alohan’ny hahatongavan’ity tsy maintsy ampiasaina oksizenina ity, moa ve tsy afaka misoroka izay hitranga ny firenentsika amin’ny fikarohana araka ny zavatra niainan’ireo firenen-kafa? Tsy fotoana ve izao hitadiavana sy hanafainganana ny fampiasana vaksiny anti-covid? Manantena zavatra betsaka amin’ireo manana fahefana ny vahoaka hahita vahaolana azo antoka sy sahaza ary maharitra hiatrehana ity areti-mandringana ity. Tsy ampy intsony ny mampanantena vahaolana poakaty na manao kabary tsaralahatra fotsiny hanomezana toky ny olona, nefa any am-piadiana sy any amin’ny hopitaly dia andrasana ela ny vahaolana entin’ny fanjakana. Ny Mpitondra na ny Minisiteran’ny Fahasalamana dia tokony tsy hikely soroka hiroso amin’ny mangarahara amin’ny hetsika ataon’izy ireo mba hampitony kokoa ny adisainan’ny vahoaka, tototry ny tahotra sy ny fahatsapana fa tsy misy mpitantana miaro azy. Farafaharatsiny mba manana fanetren-tena hanaiky ny tsy fahombiazan’ny fanapaha-kevitra noraisina na ireo tsy noraisina mihitsy ary raha misy izany dia ny fahasahiana hanazava ny dingana hatao mba hanitsiana azy ireo faran’izay aingana.
RAM